Ny fokom-pirenena dia vondron' olona miforona amin' ny alalan' ny fitambaran' ny fokom-pianakaviana maro manana fomba amam-panao sy fiteny ary zaratany iraisana. Ny antrôpôlôjia dia manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fifamatorana ara-pirazanana eo amin' ny fokom-pirenena. Mazàna ny fokom-pirenena iray no manana mpitarika, manaraka fivavahana iray izay mampianatra fa ny olona rehetra dia avy amin' ny razambe iray (ary noho izany dia mamorona taranaka na fokom-pianakaviana tokana), ary manana fiteny sy kolontsaina iraisana.

Matetika ny fokom-pirenena iray dia kely, voafetra ny fifandraisany amin' ny vahoaka hafa, ary noho izany dia mihevitra ny foko misy azy ho zava-dehibe miohatra amin' ny zavatra hafa amin' ny fomba fijery momba izao tontolo izao. Matetika ny manam-pahaizana no tsy mitovy hevitra momba ny maha zava-dehibe ny sisin-tany ara-piteny sy ara-pôlitika ary ara-jeôgrafia amin' ny famaritana ny fokom-pirenena. Na inona na inona famaritana ny fokom-pirenana dia tsy maintsy misy ny maningana. Ny fitovitovian' ny fiteny sy ny kolontsaina no toetra manan-danja indrindra amin' ny fokom-pirenena iray.

Ny fokom-pirenena, amin' ny manam-pahaizana sasany momba ny foko, dia fiarahamonina voalamina miorina amin' ny fifamatorana ara-pirazanana, indrindra fa ny fianakaviana maro mitovy razambe. Ohatra, fokom-pianakaviana maromaro monina ao amin' ny zaratany iray no afaka manangana fokom-pirenena iray, ary fokom-pirenena maromaro no mamorona foko na vondrom-poko iray. Any amin' ny firenena sasany toa an' i Etazonia, i Kanada, i Aostralia na i India dia vahoaka teratany izay ekem-pisiana ara-dalàna ao amin' ilay firenena voakasika ny fokom-pirenena.

Loham-pokom-pirenena na karazana filankevi-pokom-pirenena, izay misolo tena ny fokom-pirenena manontolo sady mazàna no ahitana ny zokiolona sy ny olon-kendry, no mety ho mpitondra eo amin' ny fokom-pirenena.

Ny hoe "fokom-pirenena" dia miavaka:

  • amin' ny hoe "fianakaviana" (miorina amin' ny fanambadiana);
  • amin' ny hoe "tarika" (vitsy isa sy tsy misy fitarihana ara-pôlitika ary tsy misy fisahanan-draharaha manokana);
  • amin' ny hoe "fokom-pianakaviana" (milaza ho manana razambe tokana iraisana);
  • amin' ny hoe "foko" amin' ny heviny mifintina;
  • amin' ny hoe "fehim-piloha" (mifototra amin' ny lehibe na filoha iray, amin' ny mpanjaka, amin' ny mpisorona, amin' ny mpanjaka mpisorona, na amin' ny fianakaviana iray; ohatra, ny Melaneziana, ny Bamileke any Kamerona).

Ny hoe "fokom-pirenena" dia mifanohitra amin' ny hoe "fanjakana" (izay faritana amin' ny fananany fitondrana foibe, ny fiandriany amin' ny zaratany, ny rafi-pitantanan-draharaha manokana, ny ampihimamba amin' ny fampiasana ara-dalàna ny hery sy ny fahefana).

Jereo koa

hanova