Ny moka dia bibikely manana vatana manify misy vaniny mitohitohy, tandroka lava manify misy tonony maromaro, elatra roa misy kirany, tongotra lava enina mitovitovy habe amin' ny volo, ary vava lava dia lava miendrika fantsona henjana izay ahafahany mitsentsitra sy manindrona. Ao amin' ny filaharana Diptera sy ao amin' ny zana-pilaharana Nematocera ny moka. Atao hoe Culicidae ny anaran' izy ireo ara-tsiansa, anarana manondro fianakaviana fa tsy karazana. Toetra manavaka azy ireo ny

Moka

Misotro mamim-boninkazo ny moka rehetra; misotro ra ny vavy amin' ny karazana sasany. Tamin' ny taona 2023 dia karazana moka 3 618 eran-tany mitsinjara amina vondron-karazana 111 no voasokajy, ka ny ampahany kely amin' ireo no manaikitra ny olombelona.

Manana anjara toerana eo amin' ny tontolo iainana ny moka, fa indrindra eo amin' ny aretina mpahazo ny olombelona sy ny biby, satria ankoatra ny maha bibikely mpanelingelina azy ireo amin' ny alalan' ny kaikitrany, dia izy ireo no vondrona lehibe indrindra amin' ny mpitondra areti-mifindra amin' ny olombelona, ​​​​anisan' izany ny aretina itambarana amin' ny biby. Mpintondra otrikaretina karazany telo amin' ny olombelona izy ireo: ny Plasmodium, ny Filariae ary ny virosy maro.

Misy dingana efatra ny tsingerim-piainan' ny moka: atody, olitra, monany ary lehibe. Apetrany eo ambonin' ny rano ny atodiny; foy izy ireo ka lasa olitra mihetsiketsika izay mihinana alga anaty rano sy akora ôrganika. Ireo olitra ireo dia loharanon-tsakafo manan-danja ho an' ny biby an-dranomamy maro, toy ny monan' angidina, ny trondro maro ary ny vorona sasany. Ny vavy amin' ny karazany maro dia manana vava natao hanindrona ny hoditry ny biby mpampiantrano ary mihinana ny ran' ny biby manana hazon-damosina isan-karazany sy biby tsy manana hazon-damosina sasany, indrindra fa ny artrôpôda sasany. Ny karazana sasany dia manatody aorian' ny fisakafoanany ra.

Hita any amin' ny faritra rehetra eto an-tany (afa-tsy any Antarktika sy any Islandy) ny moka, na any anaty ala, na any amin' ny faritra be hivoka na amin' ny tontolo an-tanàn-dehibe, raha vantany vao misy ranomamy na rano masirasira, na dia kely na misy vonjimaika aza.

Jereo koa

hanova