Aller au contenu

Toraka (matematika)

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 11 Aogositra 2024 à 17:58 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Karazana asa marika)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

Ny toraka, amin' ny matematika, dia asa marika misy isa roa, izay nosoratana hoe bn, izany dia vakina hoe "b toraka n".

Raha isa tsimivaky miabo ny n, io asa marika io dia fampitomboana miverimberina (in-n) an' ilay isa fototra b amin' ny tenany izany, Ohatra: ny 106 dia vakina hoe "folo toraka enina", sady mira amin' ny fampitomboana inenina ny isa 10 amin' ny tenany (10×10×10×10×10×10 =106).

Mety ho isa tsimivaky miiba ny isa n (ohatra: 10-6). Izany dia mira amin' ny fotitry ny 106, izany hoe 1/106.

Raha mbola itarina ny fampiharana dia azo atao isa voasaina ny isa n ao amin' ny bn (bn = bp/q). Raha mira amin' ny 1/2 ny n, ny bn dia mira amin' ny √b, raha mira amin' ny 1/3 ny n dia mira amin' ny 3√b. ny b1/3.