Aller au contenu

Katsentsitra

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 14 Septambra 2020 à 10:18 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Hao

Ny katsentsitra na kantsentsitra dia zavamanana aina izay mivelona amin'ny fihinana ny zavamanana aina hafa izay tsy vonoiny fa iraiketany velany na any anatiny na tsidihiny matetika. Ny kantsetsira dia matetika biby nefa mety ho zavamaniry koa. Ny moka, ny parasy, ny hao, ny soko ary ny kankam-pisaka no kantsentsitry ny olombelona fantatra indrindra. Ny bakteria sy ny virosy dia sokajina ho katsentsitra koa.