Aller au contenu

Fizaràn-tany

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny fizaràn-tany, izay mety ho tsorina amin' ny teny hoe tany, na atao hoe koa faritra na faritany, dia habaka ara-jeôgrafia (tany, ranomasina, na habakabaka, sns) voafaritra araka ny lalàna (ohatra: fizaràn-tanim-pirenena na tanim-pirenena), na voajanahary manana ny mampiavaka azy manokana (ohatra: fizaràn-tany na faritra be tendrombohitra) na ara-kolontsaina (ohatra: fizaràn-tany na faritra ara-piteny). Miovaova ny famaritana io teny io arakaraka ny fomba fijery na ny taranja na ny vanim-potoana heverina.

Na inona na inona fomba fiasa momba ity voan-kevitra ity, ny fizaràn-tany dia midika ny fisian' ny sisin-tany. Ohatra, fizaràn-tany ara-pôlitika na ara-pitantanana dia faritana amin' ny alalan' ny sisin-tany, nefa ny fizaràn-tany voajanahary dia tsy voafaritra araka ny lalàna loatra.

Jereo koa