Aller au contenu

Toekarena mifototra amin' ny tsena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Toe-karena mifototra amin'ny tsena)

Ny toe-karena mifototra amin'ny tsena na toekarena fehezin-tsena na toekaren-tsena dia rafitra ara-toekarena miankina amin' ny lalànan' ny tolotra sy ny tinady. Izany rafitra izany dia mifototra amin' ny fifanakalozana mivantana ataon' ny tsirairay ao anatin' ny tontolo maha kely na tsy mampisy ny fitsabahan' ny Fanjakana. Ny toekarena fehezin-tsena àry dia môdely izay ahafahan' ny fanapahan-kevitra hamokatra sy hanakalo ary hizara entana sy servisy tsy fahita firy, indrindra amin' ny fampiasana ny filazam-baovao vokatry ny fifanatrehana eo amin' ny tolotra sy ny tinady araka ny fahalalahana omen' ny tsena. Izany fifanatrehana izany no mamaritra ny vaovao momba ny vidin-javatra sy ny kalitao ary ny fahafahana mahita ny zavatra hovidina. Ny kapitalisma no maneho mivaingana indrindra ny toekarena fehezin-tsena. Ny toekaren-tsena dia mifanohitra amin' ny môdely ara-toekarena fehezin' ny Fanjakana toy ny toekarena voatetika sy ny fitantanan-tena.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka toe-karena ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.