Ny maneziôma dia singa simika metaly fotsy mitondra ny laharana atomika 12 ary aseho amin' ny eva Mg. Ny maneziôma dia hitan' ilay mpahay simia sy fizika britanika Joseph Black tamin' ny taona 1755.

Vongana maneziôma

Toetrany sy fisiany

hanova

Ny maneziôma dia metaly alkalinina tany. Izy no singa fahasivy betsaka indrindra eto amin' izao rehetra izao. Izy io dia vokatra avy amin' ny fifanampian' ny vihi-na heliôma telo amin' ny vihy misy karbônina ao amin' ny kintana lehibe mihaantitra. Rehefa mipoaka toy ny sopernôva ny kintana toy izany, ny ankamaroan' ny maneziôma dia voatodika mafy ao amin' ny erana anelanelan-kintana izay ahafahany miverina mihavao indray ao amin' ny rafi-kintana vaovao. Ny maneziôma no singa fahavalo betsaka indrindra ao amin' ny nofon-tany ary singa fahefatra fahita indrindra eto an-tany (aorian' ny vy sy ny ôksizenina ary ny silisiôma), ka mandrafitra ny 13 % amin' ny lanjan' ny tany sy ny ampahany be amin' ny akanjon' ny tany. Io no singa fahatelo betsaka indrindra levona anaty ranon-dranomasina, aorian' ny sôdiôma sy ny klôro.

Ny atôma-na maneziôma dia tsy hita afa-tsy mitambatra amin-tsinga hafa. Ny metaly madio dia mora mirehitra amin' ny toe-javatra sasany (mamokatra hazavana mamirapiratra, fotsy, mahajambena, izay amantarana azy manokana). Amin' ny mekanika dia ampiasaina indrindra ho singa amin' ny tsama-na viraty-maneziôma izy. Ny maneziôma dia kely hakitroka noho ny viraty ary be mpitady ny tsamany noho ny fahamaivanany sy ny fahatoherany lehibe kokoa (na ara-mekanika izany na ara-tsimika).

Fampiasana azy

hanova

Ny maneziôma no singa fahiraika ambin' ny folo be lanka indrindra ao amin' ny vatan' olombelona. Tena ilain' ny sela rehetra sy ilain' ny anzima 300 eo ho eo izy io. Ny iôna maneziôma dia miara-miasa amin' ny fangaro pôlifôsfata toy ny adenôzinina trifôsfaty (ATP) sy ny asidra dezôksiribônokleika (ADN) ary ny asidra ribônokleika (ARN).

Ny fangaro maneziôma dia ampiasaina amin' ny fitsaboana ka atao fanafody hanafaingana ny fiasan' ny tsinay, hisakana na hametra ny fiforonan' ny asidra (ohatra: ronono manezia), ary hampitony ny fahatairana tsy ara-dalàna eo amin' ny fitatitra na hampitony ny fikorontanan' ny lalan-drà amin' ny toe-javatra toy ny fanintona mahazo ny reny bevohoka.

Ny maneziôma dia ampiasaina anaty tsama maivana dia maivana (miaraka amin' ny viraty sy ny varahina, ohatra), indrindra amin' ny fanamboarana fitaovam-pitaterana ana habakabaka. Manatsara ny toetra mekanika sy ny fahatoherana harafesina an' ny tsama izy. Noho izany, izany tsama izany dia ampiasaina amin' ny fanamboarana fiaramanidina, rantsam-batana artifisialy, fitaovam-pitrohana, fitaovana ôptika, ary amin' ny fitaovana toy ny sky, ny borety, ny fitaovam-mpikapa bozaka ary fanaka ivelan' ny trano.

Ampiasaina amin' ny vovo-tselatra amin' ny sary pika sy ny baomba fandoroana ary jiro famantarana ny maneziôma. Izy io koa dia ampiasaina ho mpanala harefesina amin' ny fampidirana anaty lasitra ny metaly, ary mpanala etona levona anaty rano, ampiasaina hamita ny fampivoahana farany amin' ny fantsom-poana.

Ny ôksida-na maneziôma (MgO), na ny manezia, dia omanina amin' ny famanana amin' ny hafanana avo dia avo ny maneziôma ao anaty ôksizenina na amin' ny fanafanana ny karibônetra-na maneziôma. Izy io dia ampiasaina ho akora mahatanty hafanana, amin' ny fikarakarana ny hoditra sy ny volo, ary ho famenoana ny hirika amin' ny famokarana taratasy.

Ny karbônetra-na maneziôma (MgCO3), vokarina amin' ny alalan' ny fihoto eo amin' ny sira maneziôma sy ny karibonetra-na sôdiôma, dia akora mahatanty sy manefitra hafanana. Ny klôriora-na maneziôma (MgCl2.6H2O), miforona amin' ny fiasan' ny karbônetra-na maneziôma na ôksida-na maneziôma amin' ny asidra klôridirika, dia ampiasaina ho fanatsarana farany sy ho famenoana ny landihazo sy ny lamba volonondry amin' ny fanamboaran-damba, ary koa amin' ny famokarana taratasy sy simenitra sy ary fanamboarana bakoly. Ny sitirata-na maneziôma (Mg3(C6H5O7)2,4H2O), vokatry ny fihoto eo amin' ny karbônetra-na maneziôma sy ny asidra sitirika, dia ampiasaina amin' ny fitsaboana sy ny amin' ny fanamboarana zava-pisotro mangotra-mangatsiaka.

Ny hidirôksida-na maneziôma (Mg(OH)2), izay azo amin' ny fanahotoana ny hidirôkisida-na sôdiôma amin' ny sira-na maneziôma, dia ampiasaina amin' ny fitsaboana ho mpanafaingana ny asan' ny tsinay (toy ny "ronono manezia"), ary koa amin' ny fanadiovana ny siramamy. Ny solfata-na maneziôma (MgSO4,7H2O) dia fantatra amin' ny anarana hoe epsômita.