Sampam-piteny jermanika

Ny fiteny jermanika dia sampan' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay teraky ny fiteny prôtô-jermanika. Ny vahoaka jermanika, izay nonina tao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' ny Empira Rômana taloha, no miteny azy hatramin' izay nisiany. Maro ny zavatra iombonan' ireo fiteny jermanika ireo ka anisan' izany ny fiovam-panonona ny renifeo araka ny fikarohan' i Grim sy Verner; ao koa ny voambolana izay ahitana fototeny tsy indô-eorôpeana.

Faritra misy ny mpiteny jermanika

Ny fiteny jermanika be mpiteny indrindra dia ireo ao amin' ny sampana andrefana, dia ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna sy ny fiteny neerlandey ary ny fiteny skandinaviana toy ny fiteny soedoà sy danoà ary nôrveziana.

Fanasokajiana anatiny ny fiteny jermanika

hanova

Misalpana roa lehibe ny fiteny jermanika, dia ny fiteny jermanika avaratra sy ny fiteny jermanika andrefana ary ny fiteny jermanika atsinanana.

Ny fiteny jermanika avaratra

hanova

Ny fiteny jermanika avaratra na fiteny skandinaviana dia vondrom-piteny mpihavana akaiky, tenenina ao amin' ny firenena skandinaviana. Olona miisa 20 tapitrisa any ho any no miteny skandinaviana amin' ny maha fitenin-dreny azy. Ny fiteny skandinaviana fantatra indrindra dia ny fiteny nôrveziana (ninôrska sy bôkmaly), ny fiteny danoà, ny fiteny soedoà, ny fiteny islandey, ary ny fiteny ferôiana.

Ny fiteny jermanika andrefana

hanova

Ny fiteny jermanika andrefana dia ahitana ny fiteny anglisy, ny fiteny frisôna, ny fiteny neerlandey, ny fiteny alemàna, ny fiteny afrikansa ny fiteny idisy.

Ny fiteny jermanika atsinanana

hanova

Ny fiteny jermanika atsinanana dia ahitana ny fiteny gôtika sy fiteny jermanika maro hafa izay tsy misy mpiteny intsony (fiteny maty).

Jereo koa

hanova