Aller au contenu

Pio X

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Pio X

I Pio X dia papa faha-257 ao amin' ny Eglizy Katôlika nanomboka tamin' ny 4 Aogositra 1903 mandra-pahafatiny. Atao hoe Pius X, izy amin' ny teny latina ary Pio X amin' ny teny italiana. I Giuseppe Melchiorre Sarto no anarany talohan' ny naha papa azy. Injeniera italiana, teraka tamin' ny 2 Jona 1835 tao Riese tao Veneto izy ary maty tamin' ny 20 Aogositra 1914 tao Rôma. I Veneto tamin' izay, izay atao amin' ny teny frantsay hoe Venetie, dia tao amin' ny Fanjakan' i Lômbardia-Venetia, izay atao hoe Riese Pio X, ao amin ' ny Faritanin' i Treviso ankehitriny.

Nisongadina tamin' ny fitondrany ny fanoherany tanteraka ny môdernisma, ary nisongadina koa ny fanavaozana ara-pivavahana, indrindra ny amin' ny fandraisana ny Eokaristia isan' andro na ny fampihenana ny taona fara-fahakeliny amin' ny fandraisana ny kômonio voalohany.

Nasandratra ho olon-tsambatra izy tamin' ny 3 jona 1951, ary ho olo-masina tamin' ny 29 mey 1954, ka lasa "Md Pio X" ho an' ny Katôlika. Ny fetiny litorjika dia noraiketina tamin' ny taona 1955 ka atao isaky ny 3 Septambra, avy eo isaky ny 21 Aogositra nanpomboka tamin' ny taona 1969.