Fiteny indô-eorôpeanina

Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina, tenenina eran' izao tontolo izao. Misy 1 000 eo ny isan' ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny baltô-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (anisan' izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (anisan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ankehitriny dia misy 6 tapitrisa ny olona miteny indô-eorôpeanina.

Fitsinjarànan' ireo fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny tany nipoirany
Fiteny Indô-eorôpeanina

Vondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana

hanova

Ny vondrom-piteny anatôliana

hanova

Ny vondrom-piteny anatôliana dia ahitana ireo fiteny maty notenenina tao Anatôlia tamin' ny Andro Taloha toy ny fiteny hitita, fiteny lovita, fiteny palaita, fiteny lidiana, fiteny likiana, fiteny miliana, fiteny kariana, fiteny sidetika ary ny fiteny pisidiana.

Ny vondrom-piteny tôkariana

hanova

Ny vondrom-piteny tôkariana na agni-kotsy dia ahitana ny fiteny maty telo, dia ny fiteny agneana sy ny fiteny kotseana ary ny fiteny kroraniana, izay notetenina tao amin' ny lemak' i Tarima tamin' ny taonarivo voalohany taor. J.K., ao atsimon' ny faritra mizakatenan' i Xinjiang any Sina.

Ny vondrom-piteny baltô-slava

hanova

Ny vondrom-piteny baltô-slava dia misampana roa, ka ahitana ny fiteny balta sy ny fiteny slava.

Ny vondrom-piteny keltika

hanova

Ny vondrom-piteny keltika na seltika dia misampana roa, ka ahitana ny fiteny keltika an-tanibe sy ny fiteny keltika a-nosy (ny fiteny gaelika sy ny fiteny britônika).

  • Fiteny keltika an-tanibe: fiteny gaoloà, fiteny lepôntika, fiteny keltibera, fiteny galatiana (na galata), fiteny norika,

Ny vondrom-piteny jermanika

hanova

Ny vondrom-piteny jermanika dia misampana telo, ka ahitana ny fiteny jermanika atsinanana (fiteny maty) sy ny fiteny jermanika avaratra ary ny fiteny jermanika andrefana.

Ny vondrom-piteny helenika

hanova

Ny vondrom-piteny helenika dia ahitana ny fiteny mikeniana, ny fiteny arkadiana, ny fiteny kipriôta, ny fiteny pamfiliana, ny fiteny grika taloha, ny fiteny grika kôine, ny fiteny grika vaovao, ny fiteny iôniana, ny fiteny beôtiana, ny fiteny lesbiana, ny fiteny tesaliana, ny fiteny makedôniana taloha, ny fiteny dôriana, ny fiteny eleana, ny fiteny etôliana, ny fiteny lôkriana ary ny fiteny fôkidiana.

Ny vondrom-piteny indô-iraniana

hanova

Ny vondrom-piteny indô-iraniana dia ahitana ny fiteny iraniana (na iranika) sy ny fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.

Ny vondrom-piteny italika

hanova

Mizara ho sampana telo ny vondrom-piteny italika, dia ny fiteny latiniana (na latinô-faliska) sy ny fiteny ôsko-ômbriana.

Ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana

hanova

Fiteny manirery ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana.

Jereo koa

hanova

Fianakaviam-piteny lehibe

hanova

Vondrom-pianakaviam-piteny

hanova