Fiteny baltô-slava

Ny fiteny baltô-slava dia sampana iray ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay ahitana ny fiteny balta sy ny fiteny slava. Ny fiteny balta sy fiteny slava dia manana toetra iraisana izay tsy hita any amin' ny sampana indô-eorôpeana hafa, izay manondro ny vanim-potoanan' ny fivoarana sy fiaviana iraisana. Raha ny hevitra momba ny firaisan' ny fiteny baltô-slava dia nisy nanohitra mafy teo aloha noho ny resabe ara-pôlitika, misy ankehitriny ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana akademika amin' ny fiteny indô-eorôpeana fa ny fiteny balta sy slava dia sampana iray ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, miaraka amin' ny antsipiriany kely momba ny toetry ny fifandraisan' izy ireo izay mbola ifandirana.

Maitso: fiteny slava atsinanana; maitso tanora: fiteny slava andrefana; maitso antitra: fiteny slava atsimo; mavo: fiteny balta (atsinanana).

Ny fiteny slava dia ahitana ny fiteny rosiana, ny fiteny belarosiana, ny fiteny rosina (na rotena), ny fiteny okrainiana, ny fiteny tseka, ny fiteny slôvaka, ny fiteny sôraba, ny fiteny pôlôney, ny fiteny kasoba, ny fiteny pôlaba, ny fiteny slôvinka, ny fiteny silesiana, ny fiteny serbô-krôatiana (ahitana ny fiteny krôatiana, ny fiteny bôsniana, ny fiteny môntenegrina ary ny fiteny serba), ny fiteny bolgariana, ny fiteny makedôniana, ary ny fiteny slôvena.

Fiteny balta

hanova

Misy marimaritra iraisana fa ny fiteny balta dia azo zaraina ho fiteny balta atsinanana sy fiteny balta andrefana.

Fiteny balta atsinanana

hanova

Ny fiteny balta atsinanana dia ahitana ny fiteny litoaniana (mpiteny miisa 4 tapitrisa), ny fiteny letôna (na fiteny latviana, mpiteny miisa 1,5 tapitrisa), ny fiteny latgaliana (mpiteny miisa 150 000–200 000), ny fiteny samôgitiana (mpiteny miisa 500 000), ny fiteny selôniana (fiteny maty), ny fiteny semigaliana (fiteny maty), ary ny fiteny korôniana (fiteny maty).

Fiteny balta andrefana

hanova

Ny fiteny balta andrefana dia vondrom-piteny maty, ahitana ny fiteny galindiana (andrefana), ny fiteny prosiana taloha, ny fiteny skalviana, ary ny fiteny sodôviana.

Fiteny slava

hanova

Ny fiteny slava dia vondrom-pitenin' ny olona monina ao Eorôpa Afovoany sy ao Balkana sy ao Eorôpa Atsinanana sy ao Siberia ary ao amin' ny tapany farany atsinanan' i Rosia ary ao Azia Afovoany. Mizara fianakaviana telo ireo fiteny slava ireo, dia ny fianakaviam-piteny slava atsinanana sy andrefana ary atsimo.

Fiteny slava atsinanana

hanova

Ny fiteny rosiana, ny fiteny bielôrosiana, ny fiteny rotena na rosina ary ny fiteny okrainiana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana.

Fiteny slava andrefana

hanova

Ny fiteny tseka, ny fiteny slôvaka, ny fiteny soraba ary ny fiteny pôlôney sy ireo fiteny lesitika tahaka azy (fiteny kasoba, polaba, slôvitsa ary silesiana) dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava andrefana.

Fiteny slava atsimo

hanova

Ny fiteny serbô-krôaty (fiteny krôaty, fiteny bôsniana, fiteny môntenegrina, fiteny serba) sy ny fiteny bolgara, ny fiteny makedôniana ary ny fiteny slôvena dia anisan' ny fianakaviam-piteny slava atsimo.

Jereo koa

hanova

Fiteny indô-eorôpeana