Aller au contenu

Isa nanahary

Avy amin'i Wikipedia

Ny isa nanahary na isa tsimivaky nanahary dia ny isa ampiasaina amin' ny fanisana andavanandro miaraka amin' ny isa aotra: 0,1,2,3,… . Ny isa nanahary dia tsy ahitana miiba na ampaha na tafolo na faka.

Ny fandalinana ny isa nanahary dia lohahevitra sahanin' ny aritmetika, sampan' ny matematika, izay efa nisy hatramin' ny Andro Taloha grika. Ny isa tsimivaky tsirairay dia manana mpandimby tokana, izany hoe, isa tsy mivaky avy hatrany lehibe noho izy, ary ny lisitry ny isa nanahary dia tsy efa.

Ny famaritana tany am-boalohany ny vondron' ny isa nanahary, avy amin' i Richard Dedekind, dia tsy ahitana ny isa aotra. Vao haingana, dia nisy famaritana hafa naroso izay ahitana ny isa aotra na zerô. Ireo famaritana roa ireo dia mbola miara-misy ankehitriny. Arakaraka ny fiheverana, ny lisitry ny isa nanahary dia: 1; 2; 3; 4; 5; 6; 7; 8; 9; 10; 11… na 0; 1; 2; 3; 4; 5; 6; 7; 8; 9; 10; 11…

Na inona na inona famaritana fidina (manomboka amin' ny aotra na manomboka amin'ny iray), ny vondron' ny isa nanahary dia soratana hoe N. Io fanoratana io dia avy amin' i Dedekind tamin' ny taona 1888, izay nampiasa azy io ho an' ny vondron' ny isa tsimivaky manomboka amin' ny iray.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]