Aller au contenu

Mu'awiyah I

Avy amin'i Wikipedia
Muawiyah I
Ankapobeny
Anarana Muawiyah I
Teraka Taona 603
Maty 18 Aprily 680
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Kalifaty Omaiada
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Mu'awiyah I no mpanorina sy kalifa voalohany tao amin' ny tarana-mpanjaka Omeiada na Omaiada tamin' ny taona 661 hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 680. Teraka tamin' ny taona 602 tao Meka (na Maka) any Arabia ary maty tany Damaskôsy (na Damasy) any Siria tamin' ny taona 680 izy, zanakalahin' i ʾAbū Sufyān ibn Ḥarb. Atao hoe أبو عبد الرحمن معاوية بن أبي سفيان / ʾAbū ʿAbd ar-Raḥmān Muʿāwiya ibn ʾAbī Sufyān izy amin' ny teny arabo.

I Abu Sufyan ibn Harb no rainy. Ny zanany dia i Yazid I. Ny mpiray tampo aminy dia i Ramla bint Abi Sufyan sy i Yazid ibn Abi Sufyan.

Lasa kalifa i Mu'awiya telopolo taona latsaka taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady (mpaminanin' ny silamo) ary avy taorian' ny kalifa rasidona efatra ("voatarika marina"). Tsy tahaka ireo teo alohany, izay akaiky sady mpiara-dia voalohany tamin' i Mohamady, i Mu'awiya izay mpanara-dia ny mpaminany silamo efa taty aoriana, satria niova fo ho mozilmana niaraka tamin' ny fianakaviany nandritra ny fandresena sy fahazoana an' i Meka tamin' ny taona 630.

I Mu'awiya sy Abu Sufyan rainy dia nanohitra an' i Mohamady, izay havan-davitr' izy ireo samy ao amin' ny fokon' ny Koraisita ary zaodahin' i Mu'awiya taty aoriana, mandra-pandresena sy fahazoan' i Mohamady an' i Meka (na Maka) tamin' ny taona 630. Taorian' izay dia lasa anisan' ny mpitan-tsoratr' i Mohamady i Mu'awiya. Notendren' ny kalifa Abu Bakr (nanapaka tamin' ny taona 632–634) ho mpitari-tafika lefitra tamin' ny ady sy fakana an' i Siria izy. Niakatra laharana izy tamin' ny kalifatan' i Omar na Omar (nanapaka tamin' ny taona 634–644) mandra-pahatongany ho governoran' i Siria tamin' ny fotoana nanjakan' ny Omeiada havany, dia ny kalifa Othman na Uthman (ʿUṯmān ibn ʿAffān, nanapaka tamin' ny taona 644–656). Nifanerasera tamin' ny Bano Kalba (Banu Kalb) izay foko matanjaka tao amin' ilay faritany izy, namolavola fiarovana ny tanàna maro amoron-tsiraka, ary nitarika ny ady tamin' ny Empira Bizantina, anisan' izany ny ady mozilmana maro mitety toerana nampiasana sambo voalohany. Ho setrin' ny famonoana an' i Othman tamin' ny taona 656, dia nisahana ny valifaty ho an' io kalifa io i Mu'awiya ary nanohitra an' i Ali ibn Abi Talib, mpandimby ny kalifa. Nandritra ny "Fitna Voalohany" (ady an-trano voalohany teo amin' ny Mozilmana, izay niandohan' ny fisarahana teo amin' ny Sonita sy ny Siita ary ny Karijita) dia nitarika ny tafiny tamin' ny ady tao Siffin tamin' ny taona 657 izy roa, ka nitarika fifampiresahana tsy nahomby momba ny fitsarana handaminana ny disadisa. Taorian' izay dia neken' ny Siriana mpanohana azy sy i Amr ibn al-As mpiara-dia aminy ho kalifa i Mu'awiya, dia i Amr ibn al-As izay nandresy an' i Ejipta nofehezin' ny governoran' i Ali, tamin' ny taona 658. Taorian' ny fahafatesan' i Ali, izay nisy namono tamin' ny taona 661, dia noteren' i Mu'awiya i Hasan zanak' i Ali sady mpandimby azy, mba hiala amin' ny maha kalifa azy ary nekena nanerana ny kalifata ny fitondran' i Mu'awiya.

Momba ny raharaha anatiny, i Mu'awiya dia nifandray tamin' ny foko arabo siriana tsy mivadika sy ny mpiasam-panjakana kristiana tany Siria. Izy no tompon' andraikitra tamin' ny fananganana sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fandefasana taratasy sy entana (arabo: بريد / barīd) sy niandraikira ny taratasim-pifandraisana. Izy no kalifa voalohany nametaka ny anarany tamin' ny vola madinika, tamin' ny sora-tsokitra, na tamin' ny antontan-taratasy momba ny Empira Islamika vao teraka. Momba ny raharaha ivelany kosa dia nanao fanafihana an-tanety sy an-dranomasina saika isan-taona niadiany tamin' ny Bizantina ny miaramilany, anisan' izany ny fahirano nataony ny tanàna Kônstantinôpôlisy izay tsy nahomby. Tany Iràka sy tany amin' ny faritany maro any atsinanana dia natolony ho an' ny governora matanjaka, dia i Al-Mughira sy i Ziyad ibn Abi Sufyan, ity farany dia voalaza (nefa misy miady hevitra momba izany) fa noraisiny ho rahalahiny. Teo ambany fitarihan' i Mu'awiya, ny fandresena sy ny fahazoan' ny Mozilmana an' i Ifriqiya (faritra afovoany amin' i Afrika Avaratra) dia natombok' i Uqba ibn Nafi, izay kômandin' ny tafika, tamin' ny taona 670, raha nitohy indray ny ady fakana tany tao Khurasan (na Khorasan, any Iràna) sy tao Sijistan (na Sistan, any Iràna) tao amin' ny sisin-tany atsinanana.

Na dia noferan' i Mu'awiya teo amin' ny toeran' ny governoran' i Medina (na Madina) aza ny fahefan' ny Omeiada fianakaviany, dia nanendry ny zanany lahy, Yazid I, ho mpandimby azy izy. Izany dia fanapahan-kevitra mbola tsy nisy toy izany teo amin' ny pôlitika silamo, ary ny fanoherana izany izay nataon' ny mpitarika mozimana malaza maro, anisan' izany i Husayn zanak' i Ali, sy i Abd Allah ibn al-Zubayr, dia nitohy taorian' ny nahafatesan' i Mu'awiya, ary tonga tamin' ny fara tampony izany tamin' ny fipoahan' ny "Fitna faharoa" (ady an-trano faharoan' ny Mozilmana).

Na dia betsaka aza ny fankasitrahana an' i Mu'awiya ao amin' ny loharan-tantara ankehitriny dia voatsikera izy noho ny tsy fahampian' ny fampanjakana ny rariny sy ny tsy fahampian' ny fitiavam-bavaka, tsy tahaka izay nananan' ireo Rashidun (ny kalifa voalohany) ary ny fanovana ny satan' ny kalifa ho mpanjaka. Ankoatra ireo fanakianana ireo, ny Sonita dia manome voninahitra azy amin' ny maha mpiara-dia amin' i Mohamady azy sy ny maha mpitana an-tsoratra ny fanambaran' ny Kor'any azy. Ao amin' ny Siita kosa, i Mu'awiya dia tevatevaina noho ny nanoherany an' i Ali, voampanga ho nanapoizina an' i Hasan zanaka lahin' i Ali, ary heverina fa nanaiky ny fivavahana silamo nefa tsy amim-paharesen-dahatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.