Aller au contenu

Orbano VIII

Avy amin'i Wikipedia
Papa Orbano VIII

I Orbano VIII dia papa tao amin' ny Eglizy Katôlika sy mpitondra ireo Fanjakana Pôntifikaly tamin' ny 6 Aogositra 1623 ka hatramin' ny nahafatesany, tamin' ny Jolay 1644. Amin' ny teny latina izy dia antsoina hoe Urbanus VIII; fa amin' ny teny italiana kosa dia Urbano VIII. Maffeo Vincenzo Barberini no anarany tamin' ny nahaterahany. Teraka tamin' ny volana Avrily 1568 tao Firenze (na Florence) izy ary maty tamin' ny 29 Jolay 1644 tao Rôma.

Amin' ny maha papa azy dia nanitatra ny fizaran-tany pôntifikaly izy tamin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana sy tamin' ny alalan' ny pôlitika, ary nalaza ho mpiaro ny zavakanto izy, nampanao sangan' asa avy amin' ny mpanakanto toa an' i Gian Lorenzo Bernini, ary izy koa no mpanavao ny misiônan' ny Eglizy. Naharitra 21 taona tao anatin' ny Ady Telopolo Taona (1618 - 1648) ny fotoana naha papa azy.

Na dia izany aza, ny trosa be niavosa nandritra ny naha papa azy dia nandreraka ireo izay nandimby azy, izay tsy afaka nihazona ny hery ara-pôlitika sy ara-tafika izay nananan' ny papa hatramin' ny ela tao Eorôpa. Mpanohitra ny kôpernisisma ihany koa izy (ny Masoandro no ihodinan' ny Tany) ary nandray anjara tamin' ny raharaha Galileo izay nanamelohana ity astrônôma ity ho nanao fampianaran-diso (raha nilaza fa ny Tany no mihodina manodidina ny Masoandro). Izy no papa farany hatramin' izao nitondra ny anarana hoa "Orbano".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]