Aller au contenu

Yulia Tymoshenko

Avy amin'i Wikipedia
I Yulia Tymoshenko tamin' ny taona 2018

I Yulia Volodymyrivna Tymoshenko dia vehivavy mpanao pôlitika okrainiana, praiminisitra tamin' ny 24 Janoary hatramin' ny 8 Septambra 2005 sy tamin' ny 18 Desambra 2007 hatramin' ny 3 Martsa 2010. Teraka tamin' ny 27 Nôvambra 1960 tao Dnepropetrovsk (Okraina Sôvietika) tamin' ny anarana hoe Hrihian (okrainiana: Грігян) izy. Manam-piaviana okrainiana sy letôna izy. Taorian' ny perestrôika dia niasa teo amin' ny tontolon' ny fandraharahana niaraka amin' ny vadiny Oleksandr Tymochenko izy. Teo amin' ny indostrian' ny etona voajanahary no tena nahazoany harena, ka nahazoany anaram-bositra hoe "andriambavin' ny etona" ary laza mahabe resaka indraindray.

Nanomboka nanao pôlitika izy tamin’ ny taona 1996, ary voafidy ho solombavambahoaka tao amin’ ny Rada (antenimiera okrainiana). Avy eo izy dia nanangana ny antoko afovoany-kavanana atao hoe Всеукраїнське об'єднання "Батьківщина" / Vseukrains'ké ob'yednannia "Bat'kivchtchyna" (midika hoe Fikambanan' ny Okrainiana rehetra "Tanindrazana"), sy ny fiarahan' antoko atao hoe Блок Юлії Тимошенко / Blok Yulia Tymoshenko.

Amin' ny maha mpomba ny fiarahan' i Okraina amin' ny Tandrefana azy dia nanao fampielezan-kevitra manokana ho an' ny fampidirana an' i Okraina ao amin' ny Vondrona Eorôpeana izy. Tamin' ny taona 1999 ka hatramin' ny taona 2001 dia izy no praiminisitra lefitra niandraikitra ny solika sy ny angovo. Nandray anjara mavitrika tamin' ny hetsika Україна без Кучми / Ukrayina bez Kuchmy ("Okraina tsy misy Kuchma") izy, avy eo tao amin' ny Revôlisiôna Volomboasary tao amin' ny sehatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2004, izay nanohanany an' i Viktor Yushchenko.

Rehefa voafidy ho filohan' i Okraina taorian' ny Revôlisiôna Volomboasary i Yushchenko dia nanendry azy ho praiminisitra, ka nahatonga azy ho vehivavy voalohany nitazona io andraikitra io, ary nanaisotra azy fito volana taty aoriana. Taorian' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2007 dia lasa lehiben' ny governemanta indray izy ary niara-nitantana tamin-kasarotana amin' ny filoham-pirenena. Kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2010 izy ary nialoha lavitra an' i Viktor Yushchenko ka lasa vehivavy voalohany tonga tamin' ny fihodinana faharoa tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tany Okraina. Resin' i Viktor Yanukovych mpomba ny fiarahan' i Okraina amin' ny Rosia izy tamin' ny farany, ary nitarika ny mpanohitra.

Niharan' ny fitsarana maro izy taorian' izany. Tamin' ny taona 2011 izy dia voaheloka higadra fito taona noho ny fanararaotam-pahefana izy tamin' ny sehatry ny fifanarahana momba ny etona nosoniavina niaraka amin' i Rosia tamin' ny taona 2009. Ho an' ny mpanohana azy sy ny firenena tandrefana dia noho ny baikon' ny filoha Yanukovych no nanaovana ireo fanenjehana ireo. Navoaka izy nandritra ny revôlisiôna tamin' ny taona 2014, ary nilatsaka nefa tsy nahomby tamin' ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana, nifanandrina amin' i Petro Poroshenko, izay voafidy. Rehefa lasa solombavambahoaka indray izy dia noheverina ho tsara toerana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2019, ary avy eo dia nahazo ny laharana fahatelo.