Belizy
![](http://178.128.105.246/content-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Flag_of_Belize.svg/303px-Flag_of_Belize.svg.png)
![](http://178.128.105.246/content-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/43/BLZ_orthographic.svg/200px-BLZ_orthographic.svg.png)
![](http://178.128.105.246/content-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/06/Belize-CIA_WFB_Map.png/220px-Belize-CIA_WFB_Map.png)
I Belizy na Beliza dia firenena ao Amerika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba. Ny renivohiny dia i Belmopan. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Belize City. Mirefy 22 966 km2 ny velarany ary niisa 334 297 ny mponina ao aminy tamin' ny Jolay 2013. Ny faritr' ora dia −6.
Iva sady be honahona ny antsasaky ny velaran-tany ao avaratra. Ny antsasany avaratra kosa ahitana tendrombohitra madinika maro. Ahitana atoll maro sy sakana haran-dranomasina ny morontsiraka. Saika ny antsasaky ny velaran-tanin' i Belizy dia rakotra ala. Toetany ambanin-jana-pehin-tany ny toetany any.
Ny mponina any Belizy no kely hakitroka indrindra any Amerika Afovoany. Safiotra ny ankamaroan' ny mponina ka ny tena maro anisa dia ireo manam-piaviana afrikana. Katôlika ny antsasa-manilan' ny mponina, betsaka ihany koa ny Prôtestanta.
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Beliza ka ny tena volena any dia ny fary izay amokarana siramamy, ny vary ny hazo fihinam-boa. Ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny famokarana sy fandrafetana hazo ary ny fanenomana lamba no taozava-baventy manjaka any.
Zanataty britanika taloha i Belizy (nantsoina hoe Hôndorasy Britanika izy tamin' izany fotoana izany) izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1981. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny mpanjakan' i Angletera no filoham-panjakana izay soloan' ny governera jeneraly tena any.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela
Kôntinenta eto an-tany