Aller au contenu

Missouri (renirano)

Avy amin'i Wikipedia
I Missouri sy ny sakelidranony lehibe

I Missouri dia renirano mamakivaky ny afovoan' i Etazonia, sakelidranon' i Mississippi lava indrindra, izay manana halavana mirefy 3 726 km. Avy an' ny anarany ny anaran' ny fanjakan' i Missouri. Manodidina ny 1 400 000 km2 eo ho eo ny sahan-dranony.

I Missouri dia foronin' ny fihaonan' ny renirano Jefferson sy Gallatin ary Madison ao Three Forks any atsimo-andrefan' i Montana. Mikoriana mianavaratra mihodidina ny Rocky Mountains izy ary avy eo, rehefa avy niampita hantsana efa ho 400 m antsoina hoe Gates of the Mountains, dia miodina mianavaratra-atsinanana mankany Fort Benton, any Montana, izay farany amin' ny fifamoivoizana an-drenirano.

Avy eo Fort Benton dia miantsinanana ilay renirano ary ivarinan' i Milk River sy i Yellowstone. Avy eo i Missouri dia mikoriana mankany atsimo-atsinana, mamakivaky an' i North Dakota sy an' i South Dakota mankany Sioux City, ao Iowa, ka mitodika mianatsimo sady lasa sisin-tany manasaraka an' i Nebraska sy i Kansas any andrefana, ary manasaraka koa an' iIowa sy an' i Missouri any atsinanana.

Fihaonan' i Missouri sy ny renirano Kansas ao City Kansas

Mivarina ao aminy i Platte River eo akaikin' i Omaha (ao Nebraska), mivarina ao koa i Kansas any Kansas City (ao Missouri). Aorian' io fihaonan-drano io dia niodina miantsinanana i Missouri ary niampita ny fanjakan' i Missouri. Tokony ho 25 km eo ho eo mbola tsy tonga eo Saint Louis izy dia mivarina any amin' i Mississippi.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]