Aller au contenu

Okrainiana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Okrainiana sy ny vahoaka hafa manodidina azy

Ny Okrainiana dia vahoakam-pirenena sy vondrom-poko teratanin' i Okraina. Ny fiteny okrainiana no fitenin-drazany, ary manaraka ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana ny ankamaroany. Amin' ny fitambaran' ny mponina, ny Okrainiana no vondrom-poko slava faharoa lehibe indrindra aorian' ny Rosiana. Amin' ny teny okrainiana dia atao hoe українці / ukraintsi.

Ara-tantara dia teo ambany fitondran' ny fanjakana isan-karazany ny Okrainiana, ka nomen' ny mpitondra azy ireo anarana isan-karazany. Ao anatin' ny fizaràn-tanin' ny Repoblika Pôlôney-Litoaniana, ny Fanjakan' i Habsburg, ny Empira Aotrisiana, ary avy eo i Aotrisy-Hôngria, ny vahoaka slava tatsinanana nonina ao amin' ny faritra misy an' i Okraina ankehitriny dia fantatra amin' ny anarana hoe Roteniana na Rotena, izay manondro ny faritanin' i Rotenia (Ruthenia); ny Okrainiana monina eo ambany fitondran' ny Empira Rosiana dia fantatra amin' ny anarana hoe Rosiana Kely, nomena avy amin' ny anaran' ny tanin' i Rosia Kely (amin' ny teny rosiana : Малороссия / Malorossiya na Малая Россия / Malaya Rossiya).

Ny anaram-poko hoa Okrainiana, izay teny mifandray amin' ny Kôsaka Hetmanata, dia noraisina taorian' ny Fifohazana nasiônaly okrainiana. Ny fifandraisan' izy ireo amin' ny Kôsaka dia notsindriana matetika, ohatra amin' ny hiram-pirenena okrainiana. Antsoina hoe Okrainiana ihany koa ny olom-pirenen' i Okraina na inona na inona fiaviany ara-poko. Ankehitriny izy ireo dia miisa eo anelanelan' ny 37 000 000 sy 40 000 000 maneran-tany.

Fitsinjarana ara-jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ny vahoaka okrainiana (amin' ny hevitr' io teny io ara-poko) dia monina ao Okraina izay ahitana ny telo ampahefany. Any ivelan' i Okraina, ny any am-pielezana okrainiana dia mifantoka indrindra any Rosia ny Okrainiana misy mponina 1,9 tapitrisa. Ankehitriny, olom-pirenena rosiana maro no manana fiaviana okrainiana.

Araka ny petra-kevitra sasany dia efa ho 2,1 tapitrisa ny olona manam-piaviabna okrainiana any Amerika Avaratra (1,2 tapitrisa any Kanada ary 890 000 any Etazonia). Okrainiana maro koa no monina any Brezila (500 000), any Môldavia (375 000), any Kazakstana (333 000 eo ho eo), any Pôlônia (tombanana eo anelanelan' ny 300 000 sy 400 000), Arzentina (300 000), Belôrosia (eo anelanelan' ny 250 000 sy 300 000), Pôrtogaly (100 000), Romania (eo anelanelan' ny 60 000 sy 90 000) ary Slôvakia (55 000). Misy koa diaspôra okrainiana any amin' ny Fanjakana Mitambatra, any Aostralia, any Alemaina, any Letonia, any Soisa, any Aotrisy, any Italia, any Irlandy, any Soeda ary any Iogôslavia teo aloha.