Aller au contenu

Mizy

Avy amin'i Wikipedia

Ny teny hoe mizy na misy dia azo ampiasaina ho matoanteny na anarana, arakaraka ny teny manodidina. Ampiasaina betsaka amin' ny filôzôfia izy io amin' ity tranga farany ity, ka afaka manondro "izay mizy; ny zava-misy, ny fisiana, ny olona iray araka ny fahatsapany anaty". Amin' ny maha matoanteny azy, amin' ny ankapobeny, dia ilazana izay tsapantsika fa misy amin' ny fomba iray na amin' ny fomba hafa amin' ny fahitantsika, na tsapan' ny taovam-pandrenesana izany na azo takarina amin' ny saina. Ny ôntôlôjia dia sampan' ny metafizika izay mandalina ny toetran' ny mizy amin' ny ankapobeny, toy ny fisiana sy ny faharetana ary ny fanjariana (fiovana).

Azo atao ny mamakafaka ny mizy amin' ny alalan' ny fomba fiasa samihafa (araka ny fanavahana klasika, jereo i Parmenida, i Aristôty, i Tômasy avy any Akoino, i Pascal, i Descartes, i Kant, sns.).

  • Famakafakana ilay teny (einai, esse, sein, to be, essere, sns.) dia ahafahana manavaka hevitra fototra roa: ny mizy toy izao sy toy izao, na mizy amin' ny fomba tanteraka.
  • Ilay voan-kevitra ihany koa dia azo anavana fanadihadiana mifototra amin' ny kategôria ara-kaiteny isehoany.

Ireo fanavahana farany ireo, ankoatra ny maha famakafakana ara-kaiteny azy, dia mamaritra amin' ny ankapobeny ihany koa ny varan' ny famakafakana metafizika. Ireo dia kategôria izay enti-mamantatra sy mihevitra ny zava-misy ary manao rijan-kevitra momba izany, arakaraka ny fandikana ara-pilôzôfia sy ara-tsiansa samihafa; ireo kategôria ireo ihany koa dia ahafahana manazava ny voan-kevitra izay mbola misavoritaka be ihany.