Aller au contenu

Fiteny balta

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny balta

Ny fiteny balta dia ireo fiteny ao amin' ny vondrom-piteny baltô-slava ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Anisan' izany ny fiteny litoaniana, ny fiteny letôna. Misy marimaritra iraisana fa ny fiteny balta dia azo zaraina ho fiteny balta atsinanana sy fiteny balta andrefana.

Fiteny balta atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny balta atsinanana dia ahitana ny fiteny litoaniana (mpiteny miisa 4 tapitrisa), ny fiteny letôna (na fiteny latviana, mpiteny miisa 1,5 tapitrisa), ny fiteny latgaliana (mpiteny miisa 150 000–200 000), ny fiteny samôgitiana (mpiteny miisa 500 000), ny fiteny selôniana (fiteny maty), ny fiteny semigaliana (fiteny maty), ary ny fiteny korôniana (fiteny maty).

  • Ny fiteny litoaniana
  • Ny fiteny letôna na fiteny latviana
  • Ny fiteny latgaliana
  • Ny fiteny samôgitiana
  • Ny fiteny selôniana
  • Ny fiteny semigaliana
  • Ny fiteny korôniana.

Fiteny balta andrefana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny balta andrefana dia vondrom-piteny maty, ahitana ny fiteny galindiana (andrefana), ny fiteny prosiana taloha, ny fiteny skalviana, ary ny fiteny sodôviana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]