Aller au contenu

Fiteny balta atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
Ny faritra itenenana ny fiteny balta amin' izao fotoana izao any Eorôpa miaraka amin' ny fiteny heverina ho fitenim-paritra

Ny fiteny balta atsinanana dia vondrom-piteny izay, miaraka amin' ny fiteny balta andrefana efa maty, dia anisan' ny sampana balta ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ny sampana balta atsinanana dia tsy manana afa-tsy fiteny velona efatra — ny fiteny letôna, ny fiteny latganiana, ny fiteny litoaniana, ary ny fiteny samôgitiana. Ao anatiny koa ny fiteny lôrsiana, ny fiteny semigaliana, ary angamba koa ny fiteny korôniana tranainy.

Ny fiteny litoanianina no fiteny balta atsinanana be mpampiasa indrindra, manana mpiteny 4 tapitrisa maneran-tany, arahin' ny fiteny letôna, manana mpiteny teratany 1,75 tapitrisa, avy eo ny fiteny samôgitiana manana mpiteny teratany 500 000, ary farany ny fiteny latgaliana izay manana mpiteny teratany miisa 150 000–200 000. Fiteny maty kosa ireto manaraka ireto: ny fiteny selôniana sy ny fiteny semigaliana ary ny fiteny korôniana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]