Aller au contenu

Symon Petliura

Avy amin'i Wikipedia
Symon Petliura

I Symon Petliura dia mpitondra fanjakana sy mpanao gazety okrainiana teraka tao Poltava tamin' ny 22 Mey 1879 ary maty tao Paris tamin' ny 25 Mey 1926. Anisan' ny olo-malaza indrindra tamin' ny hetsika nasiônaly sy ny Kômandy fara tampon' ny Tafika ary filoha fahatelon' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana izy. Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe Симон Васильович Петлюра / Symon Vasyl'ovytch Petliura.

Lehilahy mpanoratra izy, ary anisan' ny olo-malaza tamin' ny hetsika nasiônaly okrainiana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Mpitaky fizakantena avy eo mpitaky fahaleovantena izy ka nandray anjara amin' ny fananganana tafika okrainiana, ary niady tamin' ny bôlsevisma sy ny Tafika Fotsy nandritra ny Revôlisiona Rosiana. Rehefa resy izy dia nandeha tany ivelany ary nitarika ny governemanta okrainiana an-tsesitany.

Ny pôgrôma (fandrobana sy ny fandripahana ny Jiosy tao amin' ny Empira Rosiana) izay nitranga tao amin' ny tanim-pirenena okrainiana tamin' izany fotoana izany sy ny anton' ny famonoana azy no niavian' ny resabe mafonja momba ny tenany. Vokatr' izany, i Symon Petliura dia manana toerana manokana eo amin' ny tantaran' ny fifandraisan' ny Okrainiana sy ny Jiosy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]